Fahasalamana

Orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA Tsy mivarotra fanafody fa manao « traitement »


  • Zoma 09 Aprily 2021

Mbola nanamafy omaly ny tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA Rafanomezantsoa Jean Nirina

 

 fa tsy mivarotra fanafody toy ny eava-misy ankehitriny hanararaotan’ny sasany ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 izy ireo. Tsy maintsy mandalo dokotera ny marary iray hoy izy ary amin’ny alalan’ny traitement no hitsaboana azy fa tsy amin’ny alalan’ny fanafody hamidy etsy sy eroa. Tokony hanaraka ny lalana sy ny fenitra ny zava-misy tahaka ireny hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina fa manjary manimba endrika ny fitsaboana nentim-paharazana. Ho azy manokana dia notsiahiviny fa mandalo laboratoara ny fanafody hampiasainy, misy essai Clinique ary arahi-maso hatrany ny marary ahitana ny fivoaran’ilay aretina. Naveriny hatrany araka izany fa tsy mivarotra fanafody izy ireo ary tsy hivarotra mandrakizay.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT