Fahasalamana

Orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA Hitety faritra hitsabo maimaimpoana ny mpiray tanindrazana


  • Alatsinainy 03 Mey 2021

Hitety faritra hitsabo ny mpiray tanindrazana maimaimpoana ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA,

 

tarihin’ny tale jeneraliny Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nosantariny teny amin’ny kaominina Ivato izany ny zoma lasa teo nitohy tamin’ny Sabotsy ka mpiasa an-jatony no nahazo tombontsoa tamin’izany ao anatin’ilay fitsaboana 5 minitra. Ankoatra ny kaominina Ivato dia fantatra fa mbola hitety faritra maro ivelan’Antananarivo izy ireo toa an’Imerintsiatosika, Manjakandriana, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga…. izy ireo. Tsy misy dikany ny resa-bola raha araka ny fanazavany fa ny fanavotana ny ain’ny mpiray tanindrazana izao no tena maika. Na hananana am-batabe aza mantsy ny vola hoy hatrany izy dia tsy misy dikany izany rehefa ny fahasalamana no tsy mety. Nanome fanamby moa Rafanomezantsoa Jean Nirina fa tokony ho resintsika eto Madagasikara ny Coronavirus amin’ny alalan’ireo zava-maniry marobe hananantsika. Niangaran’Andriamanitra isika Malagasy hoy hatrany izy manana ireo karazan-javamaniry marobe ireo hahafahana mitsabo ny mpiray tanindrazana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT