Fahasalamana

Orinasa MICTSL -Toamasina Nanolotra fitaovana sy fanafody ho fanadiovana ny tanàna


  • Alakamisy 02 Novambra 2017

Ny talata teo no nanolotra ny fanampiany faharoa ho an’ny komitin’ny pesta ao Toamasina ny orinasa MICTSL;

taorian’ny fanolorana fanafody ho entina mitsabo ireo marary sy voan’ny pesta ary ireo mpiasan’ny fahasalamana mifanosina tamin’izy ireo, dia fitaovam-panadiovana sy fanafody fandringanana otrik’aretina sy bibikely samy hafa no nantolotra izy ireo. Ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille lehiben’ny komitin’ny pesta no nandray izany teo anoloan’ny lapan’ny faritra atsinanana. Araka ny fanazavana dia entina hanadiovana ny tsenan’i Bazary kely sy Ambolomainika izay tena ifamezovezen’ny mpiantsena, sy ny lakan-drano mampitohy an’i Tanambao III hatrany Androranga mandalo ao Tanamborizano no tena ampiasana ireto fitaovana sy ireto fanafody ireto, saingy azo ampiasana amin’ny fanadiovana hafa ho ataon’ny komity sy ny kaominina ihany koa. Tsy ireto fitaovana sy fanafody ireto ihany anefa no natolotry ny MICTSL fa teo koa ny sakafo mandritra ny herinandro ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpitandro ny filaminana miambina ireo barazy ara-pahasalamana; sy ny fiantohana ny solika ampiasaina amin’ny fanadiovana ho atao amin’ireo tsena roa isan’ny goavana eto Toamasina ireo ihany koa. Orinasa ao anatin’ny fiaraha-monina ny misy ny orinasa MICTSL, ka manana adidy manampy ny mpiara-monina aminy izy ho fampandresena miaraka izao valan’aretina pesta izao, hoy ny talen’ny fitantanana ny mpiasan’ny orinasa Atoa Rabenivo Jean Moise sy Rtoa Rakotovao Prisca misahana ny fifandraisana sy ny seraseran’ny orinasa MICTSL solon-tena nanolotra izao fanampiana izao.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT