Fahasalamana

Orinasa Ambatovy Nanome “Oxygène liquide” 13m³ ho an’ny fitsaboana


  • Alarobia 07 Aprily 2021

Niompana betsaka tamin’ny ady atao amin’ny Covid-19 ny resaka nataon’ny Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis Minisitry

 

 

 

ny fahasalamana nandritra ny fananganan-tsaina iarahany amin’ny mpiasa fanao isaky ny fiandohan’ny herinandro teo amin’ny ministera Ambohidahy. Nandritra izany no nampahafantarany fa nisy ny fifampiresahana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Fitondram-panjakana ka misy ny “oxygène liquide” 13m3 izay niainga avy any Toamasina ary tonga eto Antananarivo, anio hamahana ny olana momba ny filana « oxygène » amin’ny fitsaboana eto an-drenivohitra. Fantatra fa ny orinasa Ambatovy no hamatsy io “oxygène liquid” io. Talohan’izao dia efa nanolotra UTM (Universal Transport Medium) 250 isa izay misanda 2 889 000 Ariary Ambatovy. Marihina fa fitaovana iray tena ilaina amin’ny fanangonana sy fitaterana ireo singa ilaina amin’ny fitiliana ny Covid-19 ny UTM. Namafisin’ny Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis fa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara, ary nanazavany fa ilay “variant” no mahatonga ny fahafatesana haingana ankehitriny. Manoloana izany dia nisy ny fandaminana samy hafa eo amin’ny fandraisana ireo mararin’ny Covid-19, anisan’izany ny famindrana ireo marary tao amin’ny « Service Chirurgie Thoracique » teo anivon’ny HJRA, ka nahafahana nandray ny mararin’ny COVID-19. Nanao fanamby ihany koa ny tenany fa nosokafana omaly ny CTC-19 eny alarobia. Naneho ny fisaorana sy fankasitrahana feno ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra ihany koa ny minisitra, eo anatrehan’ny ady amin’ny COVID-19 ankehitriny, ary nambarany fa efa naparitaka ny fitaovana rehetra ary mbola mitohy hatrany izany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT