Fahasalamana

ORANGE Solidarité Nanolotra fitaovana hiadiana amin’ny pesta


  • Sabotsy 21 Oktobra 2017

Tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo fianakaviana manana ny tsy salama sy ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny tobim-pitsaboana

mitsabo ny aretina pesta teny amin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary omaly ny orinasam-pifandraisana Orange. Tamin’ny alalan’ny fikambanana Orange Solidarité no nanatanterahany ny hetsika, nahitana sarom-bava fiarovana miisa 10.000, aron-tanana 20.000 isa ary tavoahangina gel miady amin’ny bakteria 200 isa manana fatra 1 litatra isanisany. Nambaran-dRamatoa  Josia Randriambeloman, filohan’ny fikambanana fa tsy afaka ny hitazam-potsiny ny fikambanana tantanany manoloana izao voina mahazo ny firenena izao. Efa nanampy izahay, hoy izy tamin’ny tondra-dranobe  nentin’ny Enawo tany amin’ny faritra SAVA  ary mbola hanampy hatrany. Horaisin’ny BNGRC an-tanana avokoa  moa ny fizarana ireto fitaovana ireto. Anisan’ny hahazo tombontsoa ny CHAPA Ambohimiandra, ny CHU Befelatanana, ny CHU Anosiala Ambohidratrimo, ny CHU JRA, ny hopitaly ao Anosy Avaratra, ny hopitaly ao Andohatapenaka, ny hopitalin’ny reny sy ny zaza etsy Tsaralalana,  ny hopitaly eny Itaosy.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT