Fahasalamana

Opération Smile Mitohy ny tohana ho an’ireo sima


  • Alatsinainy 15 Jona 2020

Efa 3500 ireo sima sitrana tamin’ny Opération Smile teto Madagasikara. Tamin’ny Sabotsy lasa teo dia nisy sima 400 eo ho eo izay efa nahazo fandidiana sy miandry fandidiana no notolorana vary, menaka,

 

 

 

siramamy, savony, voamaina ho fitsinjovana azy ireo amin’izao fihibohana izao. Faritra miisa 4 no voakasika amin’ity asa sosialy ity ka anisan’izany ny eto Analamanga izay notanterahina tetsy amin’ny Hopitaly HJRA Anosy tamin’ny Sabotsy teo ny fizarana ireo fanomezana. Efa tamin’ny taona 2007 no efa nanao fandidiana teto Madagasikara ny Operation Smile izay fikambanana manana ny foibeny any Etazonia. Taorian’izay dia asa miisa 23 no efa nataony ary nahazoan’ny Malagasy sima miisa 3500 nisitraka fitsaboana tamin’ny alalan’ny fandidiana. Ankoatran’ny fampahafantarana ny asa iandraiketan’izy ireo dia efa nisy ihany koa ny fanohanana ny hopitalim-panjakana tetsy amin’ny HJRA. Fitaovana maro no efa nozaraina tahaka ny gel hydroalcoolique 100 litatra, aron’akanjo fanaovan’ny mpiasan’ny Hopitaly, ranon-tsavony 10 litatra,sns. Ankoatr’izay dia nisy ihany koa ny fanomezana aro vava sy kojakoja ilaina andavan’andro tamin’ireo vahoaka tena sahirana teny an-toerana.

 Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT