Oniversiten'Antananarivo

- Institut Pasteur de Madagascar


  • Alakamisy 23 Jolay 2026

Mitohy ary mihamatotra ny fiaraha-miasa

Hitohy ny fiaraha-miasa eo amin'ny Oniversiten'Antananarivo avy amin'ny alalan'ny Ecole Doctorale Science de la Vie et de l'Environnement sy ny Institut Pasteur de Madagascar. Nisy, omaly, ny fanaovan-tsonia nifanaovan'ny andaniny sy ny ankilany ho fanamafisana izany, izay mifantoka indrindra amin'ny fandraisana mpianatra hanao fikarohana ny votoatiny. Mpianatra nivoaka avy eo anivon'ny Fakioltean'ny Siansa sy ny Fakioltean'ny Fitsaboana rahateo no ankabeazan'ny mpisehatra eo anivon'ny Institut Pasteur. Nohamafisina teto fa ny Oniversiten'Antananarivo dia manohana hatrany ny fiaraha-miasa miaraka amin'ireo sampana sy rafitra misehatra amin'ny fikarohana, ahafahan'ireo Mpampianatra sy Mpianatra manao fikarohana sy mampiasa izany ho tombotsoan'ny rehetra.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT