Fahasalamana

Oniversiten'Antananarivo Hiroso amin'ny fanaovam-baksiny andiany fahatelo


  • Alatsinainy 22 Novambra 2021

Hotontosaina manomboka anio Alatsinainy 22 Novambra ny andiany fahatelo amin'ny hetsika fanaovam-baksiny etsy amin'ny Oniversiten'Antananarivo ho enti-miady amin’ny valan’aretina Covid 19.

Hisy karazany roa ireo vaksiny azo tanterahina amin'izany toy ny vaksiny " janssen " izay vokarin'ny Laboratoara Johnson&Johnson sy ny vaksiny " sinovac " izay vokarin'ny Laboratoara Sinopharm. Misokatra maimaim-poana ho an'ny mpianatra, mpandraraha ary mpampianatry ny Oniversiten'Antananarivo rehetra izany fanaovam-baksiny izany. Raha araka ny fantatra dia eny amin'ny Service Medico-Social (SMS) no hanaovana azy, manomboka amin'ny 8 ora maraina. Tsy misy an-tery moa fa an-tsitrapo hatrany no hanaovana ity vaksiny iadiana amin’ny valan’aretina Covid 19 ity. Ho an’ireo izay hivoaka ny faritra ihany koa amin’izao dia fantatra fa mandeha ny fanentanana ny amin’ny tokony hanaovana izany vaksiny iadiana amin’ny valan’aretina Covid 19 izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Vahaolana iray ho enti-miady amin’ny Covid 19 ny fanaovam-baksiny .
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT