Fahasalamana

Olona voan’ny SIDA Voahilikiliky ny namany sy ny orinasa sasany


  • Talata 07 Desambra 2021

Ny 0,28%-n’ny mponina eto Madagasikara no fantatra fa tratry ny areti-mandoza SIDA. Miisa 8000 izy ireo ka ny 7400 no fantatra fa efa manaraka fitsaboana ara-dalana.

 Misedra olana goavana anefa izy ireny eny anivon’ny toeram-piasana. Ankoatra ireo orinasa sasany izay manao tsinontsinona azy ireny mantsy dia tsy vitsy amin’ireo namany ihany koa no manilika mivantana ireo olona voan’ny SIDA ka mampihena ny risi-pon’izy ireny handray anjara amin’ny asa fampandrosoana ny firenena. Manoloana izany dia fantatra fa handrafitra drafitra entina hanampiana azy ireny ny Fitondram-panjakana sy ny tsy miankina. Drafitra nasionaly mihitsy izy io entina hanampiana sy hanohanana ireo olona tratry ny aretina SIDA ka hananany filaminan-tsaina tanteraka rehefa miasa. Tsy voakorontana na hiaina lava ny esoeson-tenin’ny sasany na koa hiaritra ny vava tsy ambina hataon’ny hafa fa ho afaka hiasa sy hamokatra ara-dalana no sady hitsabo ny tenany ao anatin’ny fitoniana tanteraka. Tsiahivina hatrany moa fa maimaim-poana ny fitsaboana ny areti-mandoza SIDA eto amintsika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT