Fahasalamana

Olona voan’ny homamiadana “Mahatratra 7 amin’ny olona 20 isa”


  • Alakamisy 11 Aogositra 2022


Mandray marary tsy latsaky ny 50 na 60 isa eo aho isan’andro, hoy ny dokotera mpitsabo, Jean Pierre Jo Rakotoarisoa na Dr Jo. Raha ataontsika hoe amin’ny marary miisa 20 raisiko, hoy izy, dia ny 7 amin’ireo homamiadana no mahavoa azy. Misy tratran’ny homamiadan’ny fo, ny voa, tsinay, marobe. Misy aretina vao hitako ary nalefako ho tiliana any Japon any izao. Toy ny lolosy vao nivoaka tamina ankizy vavy iray izy io tetsy amin’ny tetezan’I Bekiraro. Aretina isan’ny mamotika taovam-pananahana haingana io. 9 volana lasa izay no nahitako fa isaorana an’I Jesosy fa sitran’ilay “poudre Cancer” sy “poudre Neptune” ilay izy. Tsy ambaratelon’ny dokotera moa ireo. Tsy mifidy taona ny homamiadana fa manomboka eo amin’ny faha 3 hatramin’ny 70 taona mbola mety ho tratrany. Miantso ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra aho raha tia firenena izy hoe maninona raha mba foanana eto ny fanjifana toaka sy sigara? Be dia be ny vahoaka simban’io eto. Zazakely vao 13 taona dia efa mifoka sigara, hoy hatrany ny tenany. J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT