OLONA VOAN’NY GRIPA

Nirongatra be tamin’ity volana janoary ity


  • Alarobia 29 Janoary 2025

Tafakatra 108 ireo olona tratry ny gripa mahery tonga nandalo teo anivon’ny tobim-pitsaboana

tsy miankina iray eto an-drenivohitra tantanan’ny dokotera Domoina tamin’ity volana Janoary taona 2025 ity. Ny 01 ka hatramin’ny 19 Janoary no nambarany fa tena nampahazo vahana izany. Nahatratra 73 isa be izao mantsy ireo marary nandalo tao aminy raha miisa 35 kosa ny ambiny hatramin’ny omaly Talata 28 Janoary. Nambarany fa nisy tamin’ireo olona ireo no nanana trangan’aretina toy ny voan’ny coronavirus mihitsy saingy efa nihena ny herin’ilay aretina. Efa tsy mamono olona ohatra ny teo aloha intsony ihany koa ity aretina ity raha araka ny fanazavany. Mbola vokatry ny fahapotehan’ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andromoa no nambarany fa antony mahatonga ilay aretina ka tokony samy hitandrina ny tsirairay. Fantatra ihany koa fa mifindrabe ilay izy indrindra raha maromaro an-trano ka mila mandray fepetra mifandraika amin’izany ny tsirairay.
Pati
Legende : Hataon’ny gripa mahery hatramin’ny ankizy madinika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT