OLONA TSY MANAM-BOLA HITSABOANA TENA

Miaro tena amin’ny Vitamina C sy ny antibiotika ny ankamaroany


  • Talata 01 Oktobra 2024

Karam-panafody tena tadiavin’ny olona amin’izao ireo mampiakatra hery fiarovana ho enti-miady

amin’ny gripa mahery sy ny tazo indrindra fa ny COVID izay mbola tsy foana. Voakasik’izany manokana ny Vitamina C amin’ny plakety izay mba zakan’ny fahefa-mividin’ny maro. Mahalafo vitamine C amin’io karazany io 40 isa isan’andro raha kely ny farmasia iray eny Atsimondrano eny. Ilay karazany amin’ny vidiny 2.000 Ar no tena be mpividy indrindra ka misy mahavita mividy plakety 10 ny mpanjifa iray indrindra fa rehefa faran’ny volana tahaka izao. Toraka izany koa ny fanafody ho enti-miady amin’ny tazo toy ny doliprane. Ho an’ity farany manokana dia efa mahatratra 10.000 Ar ny boaty kely iray raha tsy taka-bidy kosa ny Fervex noho izy efa mahatratra 30.000 Ar ny boaty iray. Tena ba mpividy be koa ny paracetamol noho izy mbola 1.000 Ar ny plakety iray nefa misy fanafody miisa 10 ao anatiny. Nambaran’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny farmasia ity moa fa tafiditra ao anatin’ireo fanafody tadiavin’ny olona ihany koa ny antibiotika toy ny amoxycilline hikarakarana ny fahasalamana ao an-tokantrano ao hilamindamina sitrany ahay tsy mankany amin’ny dokotera. Tsy manana fahafahana ny ho amin’izany intsony mantsy ny ankamaroan’ny Malagasy vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Efa tena tsy zaka intsony vao tonga manatona dokotera saingy na eny amin’ny hopitalim-panjakana toy ny CSB II aza mbola handoavam-bola koa.
Pati
Legende : Ilaharana ohatra an’izao mihitsy ireo farmasia sasany eto amintsika hitadiavana Vitamina C !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT