OLONA TRATRY NY AVC

Maty na mitondra takaitra ny 25%-n’ireo olona voany


  • Talata 18 Jona 2024

Aretina iray tsy mamela mahazo ny AVC. Tsy tapaka lalandra no filaza azy io fa lalandra tsentsina,

izay tsy ny voky taona irery intsony no hataony mahita faisana fa hatramin’ireo tanora vao herotrerony mihitsy. Hatreto raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana dia mitondra takaitra na maty ny 25%-n’ireo olona voany. Ho an’ity farany manokana dia mivilana ny vava, mety tsy ho afaka handeha tsara ihany koa ny tongotra, miraikitra ny lela ary mety tsy ho tafatsangana intsony no hiafarany raha tsy voatsabo haingana. Anisan’ny antony mahatonga ny olona iray ho tratry ny AVC raha tsiahivina ny fisotroana toaka sy ny fifohana sigara. Eo ihany koa ny fihinanana sakafo mamy loatra sy be akora simika, ny be menaka loatra izay lasa mankany amin’ny ra ka mampivaingana azy. Mety hanafaingana ny fahatongavan’ny AVC koa anefa ny fihetsem-po diso tafahoatra indrindra fa ny alahelo arahin’ny rarin-tsaina.
Pati
Legende : Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT