Fahasalamana

Olona tonga avy any Frantsa Misy mivoaka ny trano, mampanahy…


  • Alakamisy 19 Martsa 2020

Nomena safidy na hitoka-monina eny amin’ny Hopitaly Manara-penitra Andohatapenaka, amina hotely na any an-tokantrano, arahi-maso isan-droa isan’andro ny hafanany ireo mpandeha avy amin’ilay sidina AF 934 tonga avy any Frantsa.

 

 

 

Nilazana ireo mpandeha tonga fa tsy maintsy mandalo fanokanan-toerana manokana na "Confinement obligatoire de 14 jours"  izy ireo ary manao taratasy fanekena na “lettre d'engagement”. Nisy moa ireo mpandeha 5 tamin' ireo 249 tsy nanaiky ka dia nalefa niverina avy hatrany teo noho eo ihany tamin'ny fiaramanidina nahatongavany niverina any Eoropa.. Misy 16 nisafidy any amin’ny hotely.  Ahoana ny antoka sy ny fanaha-maso fa tena tsy nivoaka ny trano? Miezaka mampiseho ny fanjakana fa misy ny ezaka, saingy miharihary ny tsirambina. Tsy voahara-maso velively ireo olona tonga avy any Frantsa navela nody an-kahalalana na nambara aza fa nanao taratasy fanekena, nalaina ny adiresy,… Mivoaka ny tranony soa aman-tsara ka asa na tsy finiavana hanaraka ny toromariky ny filoham-pirenena sy ny governemanta na ahoana. Ny fanapahan-kevitra faran’ny Filankevitry ny minisitra manamafy sy manampy ny efa voalaza teo aloha rahateo moa dia ny takarivan’ny talata, raha efa nialohan’izay no nahatongavan’ireo mpandeha. Tena nisy mihitsy ny mpandeha avy any Frantsa naneho, fa tsy misy atao “mise en quarantaine” izany, ary tsy voahara-maso. Loza miditra avy hatrany, raha misy amin’ireo navela nandeha ambara fa hitokana no sanatria efa misy ilay valanaretina. Amerikanina dia nanokana 60 miliara dolara, ny sinoa 240 miliara dolara, ny Italianina nanokana 25 miliara dolara ka ny 15 hanarenana ny toekarena, ary ny 10 hiadiana ny coronavirus. 3,7 tapitrisa dolara monja kosa ny antsika, izay 0% mahery kely amin’ny an’ireny, ka tsy i Madagasikara mihitsy no tokony hanao tsirambina sy hihebohebo, fa efa vonona ka toa manao tsirambina. Ekena fa ao anatin’ny « stade 0 » isika, saingy tsy afaka ny hahatoky tena be eto foana.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT