Fahasalamana

Olona maty tampoka Efa narary fo, hoy ny dokotera


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Nitondra fanazavana mikasika ireo olona maty vokatry ny fihetseham-po ny dokotera Fidy Bariniaina, omaly. Nambarany fa olona efa narary fo ireny maty tampoka ireny amin’ny ankapobeny.

 

 

 

 Misy, hoy izy, ireo tratry ny “infractus dy myocarde”, izany hoe fahasimban’ny fo vokatry ny tsy fahampian’ny “oxygene” entin’ny ra, ilain’ny nofon’ny fo. Misy koa vokatry ny  fahatsentsenan’ny lalandra mankany amin’ny fo ankoatra ilay marary ny tratra amin’ny ilany havia ka mitarika fahasemporana. Tsy tokony hisotro toaka na hifoka sigara noho izany ny olona mahatsapa fa efa marary fo,  hoy izy raha te ho salama tsara. Tsy tokony hihinana sakafo matavy ihany koa sady ampy torimaso tsara  ary mahay manatanja-batana. Ho an’ireo olona salama tsara nefa tratry ny fihetseham-po tampoka kosa dia ny fambolena toe-tsaina hanaiky izay zavatra mitranga no tena tsara indrindra, hoy izy. Na izany aza anefa, hoy dokotera Fidy ho an’ireo efa hita fa tsy mahazaka nefa mbola mijery zavatra mety hanaitra ihany dia aleo manatona dokotera maka fampitoniana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT