Fahasalamana

Olona matin’ny cholera na pesta Handoavana 1 tapitrisa Ar ny famindrana azy mialohan’ny 7 taona \\


  • Talata 07 Martsa 2023

Handoavana 1 tapitrisa Ar amin’izao ny famindrana razana an-tsokosoko mankany am-pasan-drazana mialohan’ny fito taona ho an’ireo manan-kavana matin’ny cholera na pesta eto amintsika.

Tsy vitsy mantsy ireo tsy maharitra izany noho ny alahelo ka zary manaotao foana. 3 hetsy Ar kosa no takiana amin’ireo fianakaviana mana-manjo ho an’ireo tratra mandevina am-pasan-drazana ireny olona lasibatry ny aretina voasokajy ho areti-mandringana ireny. Tsy azo alevina any am-pasan-drazana mantsy izy ireny amin’ny ankapobeny fa efa misy toerana natokan’ny fanjakana hametrahana azy mba tsy hiparitahan’ny aretina. Ho an’ny eto Antananarivo renivohitra manokana dia nomena ny lehiben’ny Boriborintany izany andraikitra goavana sy makadiry izany. Mampahafantatra fotsiny sisa no hataon’izy ireo amin’ny Ben’ny tanana sy ny ekipany fa ny fampiharana ny sazy kosa dia avy hatrany dia raisiny an-tanana miaraka amin’ny fitanana an-tsoratra. Efa mandeha araka izany ny fanaraha-maso eny anivon’ny boriborintany tsirairay avy amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao. Tsy mijanona eo amin’ny resaka razana tratran’ny areti-mandoza ihany izany fa misandrahaka amin’ny sehatra maro lafy mihitsy. Amin’izao fotoam-pahavaratra izao ohatra dia mety handoavan’ny tompony 5 tapitrisa Ar ny tsy fanekeny ny handrodanana ireny trano mety hitera-doza ireny toy ireo efa mivava mitady hianjera…. Toraka izany koa ny trano tsy mitondra fahasalamana nefa mbola hifikiran’ilay tompony hipetrahana ihany.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT