Fahasalamana

Olona manana fahasembanana Te hisitraka ny zon’izy ireo feno


  • Zoma 17 Febroary 2017

Ela ny ela ka mba tafakatra lapam-panjakana ny fikambanan’ireo olona manana fahasembanana mivondrona ao amin’ny PFPH na ny “Plateforme des Fédérations des personnes handicapés de Madagascar” notarihan’ny Sekretera mpanatanteraka,

  Atoa  Radafy Niantsoa Josoa  ka noraisin’ny Filohan’Andrimpanjakana, ny loholona Rakotomanana Honoré, tetsy amin’ny birao fiasany tetsy Anosikely, omaly alakamisy 16 febroary.  Nampahafantatra ny fisian’ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny olona sembana izy ireo ary nangataka ny hankatoavana ny “Protocole facultatif” izay handalo eny amin’ny Antenimierandoholona. Amin’ny alalan’ny fankatoavana io fifanarahana io no ahafahan’ny olona sembana misitraka ny zony feno. Nambaran’Atoa Rakotomanana, toy ny mahazatra, fa hijery akaiky ny momba io fifanarahana io izy, satria ny fanomezana lanja ny olona sembana, dia anisan’ny dingana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT