Fahasalamana

Olona manana fahasembanana Tanora miisa 80 no navoakan’ny CNFFFPSH


  • Zoma 07 Desambra 2018

Tsy azo tsinontsinoavina ny olona manana fahasembanana fa afaka mandray anjara tsara amin’ny fampandrosoana ny firenena.

 

 

Noporofoin’ny  « Centre National de Formation Professionnel des Personnes en situation de handicap » (CNFFPSH) eny Ampandrianomby izany omaly, narahin’ny fampirantiana ny asa tanan’izy ireo. Olona manana fahasembanana miisa 80 no indray navoakan’izy ireo tamim-pomba ofisialy, notarihin’ny talen’ny sekoly Andrianainarivelo Mahandrimanana. Nianatra nandritra 12 volana izy ireo ka misy ireo tsy afaka mamindra fa mitaingina « fauteuil roulant », misy ireo mitondra tehina fotsiny… nefa nahavita nianatra mofomamy tena manara-penitra, manao volo,  mikirakira solosaina,  manjaitra…. Lalam-piofanana miisa folo no nivoahan’izy ireo izay afaka mitondra azy eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany. Anisan’ny tena nahavariana ny maro tamin’izany ny famoronana jiro tanterahin’ireo lehilahy manana fahasembanana izay takian’ny filana ankehitriny tokoa. Tonga nanatrika ny lanonana ny minisitry ny fanofanana arak’asa ny fampianarana teknika Rtoa Rahantarisoa Lydia izay nanambara fa miisa 60.000 hatreto manerana ny Nosy ireo tanora volavolaina eny anivon’ireny ivon-toerana ireny.  Ezahina hampahafantarina hatrany ireo fikambanana sy mpiara-miombon’antoka maro samihafa ny asa tanan’ireny ankizy manana fahasembanana ireny. Raha sanatria ka  manana olana amin’ny fitadiavana asa moa  izy ireo dia nambaran’ity minisitra ity hatrany fa efa  misy ilay “culture entrepreunariale” hampianarina azy ireo hahafahany manangana orinasa ho an’ny tenany.  Avy amin’ny ivon-toerana miisa efatra izy 80 mianadahy ireto, tohanan’ny CBM.  Nosokafana  omaly ihany koa ny taom-pianarana 2018-2019 ho an’ity ivontoerana iray ity narahiny fanokanana ireo efitrano vaovao handraisana ireo kilasy mandry izay natokana ho an’ireo lavi-podiana ihany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT