Fahasalamana

Olona mamono, mandatsak’aina, Azo lazaina ho marary saina feno, hoy ny manampahaizana


  • Alarobia 06 Jona 2018

Tranga tsy nampoizina maro no niseho teny anivon’ny fiarahamonina tato ho ato.

 Anisan’izany ny famonoana  olona akaiky azy izay miafara tamin’ny fahafatesana. Vao omaly dia zazavavy kely iray vao efa-taona monja no maty novonoin-dreniny teny Atsimondrano. Ankoatra ny fahantrana sy ny adim-piainana  izay miteraka aretin-tsaina, hoy Razafindrakoto Tatamo, manampahaizana manokana momba ny psychologie sociale sy ny fifandraisana eto amintsika dia anisan’ny antony mahatonga izany ihany koa ny fahatanterahan’ilay tenin’ny Tompo ao anaty Baiboly  ny amin’ny hiavian’ny andro farany. Mila miorina amin’ny finoana ny olona iray hahafahany mandamina ny sainy satria ny saina no harena voalohany ho an’ny olombelona fa tsy ny volabe na ny fiara. Miankina amin’io saina io avokoa ny zava-drehetra. Anisan’ny ohatra noraisiny ny tsy fahazakan’ny olona iray ny  zava-mitranga ao anatina tontolo misy azy, toy  ny fitiavana, ny fianakaviana … Vahaolana aroson’i Tatamo Razafindrakoto  ny fandaminana ny saina mba hahazoana fiadanana, fijaliana, filaminana ary korontana. Manampy izay ny tokony hananan’ny olona ihany koa  ilay kolontsain’ny fanekena mba hananany hasambarana. Ekena izay zava-mitranga ary katsahina izay mahasoa mba tsy hanenenana.

 

 

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT