OLONA DIABETIKA

Sakafo voalanjalanja no mety aminy


  • Alakamisy 30 Janoary 2025

Aretina miha-mahazo vahana eto Madagasikara ny diabeta nefa mbola misy ireo tsy mahafantatra ny momba azy.

Ny 4,7% -n’ny Malagasy eo ho eo no miaina io toe-tena io amin’ny ankapobeny. Ny fiakaran'ny tahany siramamy ao anaty rà (hyperglycémie) maharitra (chronique) no mahatonga io toe-tena diabetika io, raha araka ny fanazavan’i Domoina Soa Kanto Rakotonoely, Médecin Traitent Clinicien. Mba hisorohana ny fihitaran’ny aretina ary dia sakafo voalanjalanja no tena mety amin’ny olona voan’ny diabeta. Mila manamboatra ny fomba fisakafoanana amin’ny ankapobeny ihany koa. Hatao laharam-pamehana ny fihinanana sakafo manan-karena fibra ary kely ny tahan’ny glikaozy ao aminy toy ny laisoa, epinara, « brocoli », harikovera, korzety, poavirao sy ny frezy... Mihinana sakafo misy proteina toy ny hena, trondro, atody, voamaina ihany koa isan’andro fa tsy atao be loatra. Tsy hadinoina ny misotro rano betsaka isan’andro. Tsara raha misotro kafe na dite tsotra tsy misy siramamy na dite asiana ravimboafotsy. Fadiana kosa ny mihinana siramamy fotsy sy ny mofomamy. Toy izany ihany koa ny zava-pisotro misy « gaz » sy mamibe loatra ary ireo sakafo mampiakatra ny tahan’ny siramamy toy ny ovy sy ny vary fotsy ary ny paty. Tsy mihinana voankazo mamibe loatra koa toy ny akondro masaka, ny voaloboka ary ny manga. Ho an’ireo sakafo matavy sy mampatavy toy ny tavin-kena, ero-dronono, ny mofo vita amin’ny lafarinina tsotra dia azo hohanina ihany izy ireny fa ferana amin’ny fatra kely dia kely.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny Dokotera Domoina Soa Kanto Rakotonoely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT