Fahasalamana

Olona Bobo Vokatry ny tsy fahampian’ny singa mandoko ny hoditra


  • Alarobia 13 Jona 2018

Anisan’ny aretina iray mahazo ny olona betsaka aty amin’ny tany Afrikanina ny bobo na mivadin-koditra, anisany isika eto Madagasikara. Raha ny fanazavan’ny dokotera Ratafika, lehibena tobim-pitsaboana tsy

miankina iray eto an-drenivohitra dia vokatry ny tsy fahampian’ny singa mandoko ny hoditra hatrany am-bohoka no mahatonga ny aretina ( pigment na mélanine). Lasa bobofotsy ny hoditr’ilay olona lasibatra izay fantatra fa tsy mijanona eo amin’ny hoditra ihany fa tonga hatrany amin’ny volomaso sy ny volon-doha mihitsy, antony mahatonga ny olona bobo iray tsy mahita tsara raha tsy alina ny andro. Vokatry ny fanatonan’ny reny bevohoka iray ireny karazan-javatra misy radiation ireny amin’ny ankapobeny no mahatonga azy,  eo ihany koa ny rayon maro samihafa…Misy ihany koa anefa ny manaranaka. Raha misy bobo ny iray amin’ireo lahy sy vavy mivady dia ny antsasaky ny zanany no lasibatra raha betsaka ary ampahefany kosa raha kely. Tsy anefa mifindra ny mivadin-koditra. Mety hangidihidy sy hangirifiry ny hoditr’ilay olona lasibatra satria marefo ka tsy mahazaka ny zakan’ny hoditra ara-dalàna. Vahaolana hatolotra ireo reny mitondra vohoka, araka izany, ny tokony hisakafoanana tsara, mitandrina ihany koa raha sanatria misy fitarafana hatao…Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany ho an’ny olona bobo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT