Fahasalamana

Olona akaikin’ny mararin’ny pesta Arahi-maso akaiky


  • Zoma 10 Novambra 2017

Na dia noheveren’ny rehetra fa efa mangingina aza ny aretina pesta dia mbola misy hatrany ary ilana fitandremana tsara.

 

 Tsy mipetra-potsiny ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka manoloana, raha ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ny dokotera Josea Ratsirarson fa tena miezaka tokoa. Anisan’ny asa maika tanterahin’izy ireo ny fanaraha-maso akaiky ireo olona akaikin’ny marary na nifanerasera tamin’ny marary hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny aretina. Eo ihany ny fanamafisana ny fitsaboana ny marary arahin’ny fanohizana ny asa fanadiovana tanterahin’ny isan-tokantrano. Tafiditra ao ny  fitsapana ny hafanana, ny fitondrana ireo marary any amin’ny dokotera avy hatrany na koa manatona ny hopitaly mihitsy, indrindra ny fijerena ireo manodidina sao sanatria misy voa nefa minia tsy manatona tobim-pitsaboana. Mikasika ilay tsaho niely eran’ny sekoly omaly moa izay nilaza fa misy andian’olona mitety mandeha manindrona mpianatra dia nanambara hatrany ity dokotera ity fa tsy mbola misy ny vaksiny iadiana amin’ny aretina pesta ary tsy naniraka olona izy ireo ka mpisandoka avokoa izay rehetra manao izany.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT