Fahasalamana

Olana momba ny sira amin’ny vatan’olombelona Lehilahy iray mitady izay mety hahasitrana azy


  • Zoma 19 Mey 2023

Lehilahy iray manana olana ara-pahasalamana mikasika ny sira amin’ny vatan’olombelona no mitady torohevitra amin’izao fotoana izao sao mba misy mahavaha ny olany.

Raha ny fitantarany, aretina tsy mety sitrana efa hatry ny ela satria tao anatin’ny 24 taona no efa nitsabo tena ny tenany. Nanomboka ny 21desambra 1998 no nitsabo fa voan’ny “hémorragie digestif”, efa nitsabo tena 24 taona satria “tensionaire sous traitement épileptique”, ary tao anatin’ny 17 taona dia mihinana fanafody fampatoriana isan’andro ary mitsindrona calcium 10 isa isam-bolana. Tao anatin’ny 4 taona dia manao “serum” NaCl isan’andro na isaky ny roa andro ary mianto-tena. Efa nandalo fandidina tamin’ny tenda sy tao anaty orona fa hoe: tsy mahazo “oxygène” ny atidoha, saingy tsy nety sitrana. Efa nandalo dokotera sy Profesora maro, ary raha ho an’ny eto Antananarivo dia isan’ny misy ny dosieny ny Hopitaly lehibe toy ny etsy Befelatanana sy Soavinandriana, raha ny fanamarihany. Hatramin’izao anefa, tsy mety salama, ary mihareraka hatrany ny vatany, tsy mba afaka mivoaka ny trano hiasa, ka raha misy mahita vahaolana ara-pahasalamana sy ara-pitsaboana mikasika ny tranga mahazo azy satria efa tsy vitan'ny profesora sy ny dokotera intsony ny fitsaboana, raha ny filazany, dia manao antso avo amin’izany izy. Ny toe-batany ihany koa efa tsy mahazaka azy intsony ilay atao “serum” isan'andro. Niainako izany rehetra izany, tsy nety salama intsony, fanina foana isan”andro, kely aina tsy mahavita miasa fa raha mivoka ny trano, hoy hatrany ny fitarainany. Ho an’ireo izay mety manana vahaolana na te hahalala kokoa ny manjo azy ary vonona hanampy azy ara-pahasalamana, dia afaka miantso ny laharany: 0348469087.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT