Fahasalamana

Olana ara-pitaovana Nanome 72 ora ny fitondrana ireo Paramédicaux


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Mbola tsy tena mivaha hatreto ny olana ara-pitaovana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana.

 

 

Manoloana ny zava misy ankehitriny amin’ny fiatrehana ny COVID-19, manoloana ny olana sedrain’ny mpiasan’ny fahasalamana, dia nanaitra ny Fitondrana ireo mpitsabo mpanampy na "Paramédicaux" izay voakasikin’ny "Réquisition "ny anio Alahady 19 Aprily 2020. Voalazan’ny fanambarana fa tsy ampy ny fitaovana entin’izy ireo manatanteraka ny asany eo ampiatrehana ny aretina COVID-19, ary mbola tsy voafehy ny atao hoe « Cas communautaire ». Isan’ireo notsindrian’izy ireo manokana ihany koa ny resaka tambin-karama na ny "indemnité". Naneho fa mbola vonona ny hifanome tànana amin’ny fiatrehana ny Valan’aretina COVID-19 ireo Paramédicaux, ka nanome 72 ora hamaliana ny fitarainana satria ady aman’aina fa tsy kilalaon-jaza ny asan’izy ireo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT