OCTOBRE ROSE-ARETINA HOMAMIADANA

Hanampy ny vehivavy ny Association Porte Bonheur


  • Alakamisy 09 Oktobra 2025

Vehivavy maro no fantatra fa tratran’ny

aretin'ny homamiadana eto Madagasikara. Araka ny tatitra navoakan'ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana dia olona 1 amin’ny 3 no mety ho voan'izany, antony mampitombo ny tahan'ireo vehivavy tratry ny homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza izay mahafaty tokoa. Na izany aza anefa dia azo sorohina sy tsaboina tsara raha hita mialoha ilay aretina..Ho fisorohana izany sy ho fitsinjovana ireo vehivavy ao Alasora dia hikarakara fitiliana maimaim-poana Association Porte Bonheur sy ny Centre Médicale Mahasoa. Hanomboka ny Alahady 12 Oktobra ho avy izao ny hetsika mandritra ity volana Oktobra ity. Toraka izany koa ny andro Alakamisy manomboka amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 03 ora folakandro.Tsiahivina fa handoavana volabe tokoa ny fitiliana tahaka izao raha eny anivon'ny ivon-toeram-pitsaboana tsy miankina.
Pati
Légende : Tena tokony hitily ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza ny vehivavy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT