Fahasalamana

Ny ara-pitaovana no olana


  • Talata 07 Aprily 2020

Efa manana fanafody fitsaboana ireo aretina mitovy soritraretina amin’ny Coronavirus hatramin’ny taona 1991 i Madagasikara, raha ny fanazavana avy eo anivon’ny foibem-pirenena fikarohana sy fampiharana ireo voka-panafody eto Madagasikara na ny CNARP.

 

 

 

Tsy inona izany fa ny Evokine, izay nivoaka tamin’io taona io, sy ny Vaseline Niaouli, nivoaka ny taona 1997. Araka ny fanazavan’ny talen’ny CNARP, ny Dr Riana Rakotosaona, dia mahatsabo ireo soritraretina toy ny mahazo ny orona, ny tenda, ny tratra sy ny hafa ireo fanafody ireo. Tsy mbola voaporofo kosa anefa fa fanafodin’ny COVID-19 ireo, raha ny fanazavana hatrany. Na izany aza anefa dia isan’ireo fanafody efa namatsiana ny fitsaboana ireo mararin’ity aretina ity ireo nanomboka ny alatsinainy teo. Mbola tsy manana fikarohana isika, raha ny mikasika ny fanafody fanefitry ny Coronavirus saingy efa misy tondrozotra iaraha-manao kosa mikasika izany. manan-karena amin’ny lafiny zava-maniry i Madagasikara, hoy izy, fa eo amin’ny fitaovam-pikarohana no tsy maharaka. Isan’izany, ohatra, ny tsy fananana ny sosona na “souche” an’ilay otrik’aretina. Mila zava-maniry sy biby koa anaovana ny fanandramana, raha ny fanazavany, vao tokony atao amin’ny olona io fanandramana io. Tsy mitombona, raha ny fanazavan’ity mpitsabo ity, ny fidirana avy hatrany amin’ny fanaovam-bakisiny olona raha tsy mandalo amin’izay dingana izay. Na ireo firenen-dehibe aza, hoy izy, mbola maro no tsy manana fitaovana hikarohana ny fanefitry ny Coronavirus.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT