Fahasalamana

Nosy Be Naverina ny fepetra ara-pahasalamana


  • Zoma 26 Febroary 2021

Mihamahazo vahana ny valan’aretina Covid 19 any amin’ny distrikan’i Nosy-be. Maromaro ireo olona fantatra fa voan’izany, antony nandraisan’ireo

 

 

 tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana fepetra hentitra. Miverina mihatra indray araka izany ny fepetra ara-pahasalamana toy ny teo aloha. Lasa tsy azo hatao intsony ny mamory olona marobe na resaka fety izany na fotoam-pivavahana. Tsy azo hatao ihany koa ny mikarakara hetsika sy karazana fety aman-danonana izay mety hahasarika olona betsaka mandrapisian’ny fandaminana vaovao. Mikatona amin’ny 3 ora avokoa ireo tsena any an-toerana isaky ny sabotsy sy alarobia mba hahafahana manadio sy mamendraka fanafody ny toerana hifamezivezen’ny olona rehetra. Tsy azo hatao mihoatra ny 24 ora ihany koa moa fiandrasam-paty raha sanatria ka misy trangana fahafatesana. Ho an’ireo olona hita kosa ary voaporofo matin’ny coronavirus dia hisy ny fepetra manokana raisina mikasika azy ireny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT