Nokaikerin’ny alika romotra

Nodimandry maty tany Maevatanana


  • Alarobia 14 Mey 2025

Lehilahy iray, sahabo 47 taona no nodimandry ny harivan’ny alatsinainy teo, minitra vitsy

taorian'ny nahatongavany tao amin'ny CSBII Mahazomà Maevatanàna, hoy ny fampitàm-baovao voaray omaly. Nokaikerin'ny alika romotra tamin'ny volana febroary 2025 izy io. Raha tokony ho nentina tany amin'ny hopitaly dia tany amin'ny dadarabe, tany Maroadala Ankadibe, kaominin’ambanivohitr’i Mahazomà, no nitondran'ny havany azy. Nandeha ny fotoana ka lasa romotra ihany koa ny tenany. Mierona, mitady zavatra kaikerina sady mivoaka rora fotsifotsy sahala amin'ireny alika romotra ireny mihitsy. Farany, nanaraka hatramin'ny ainy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT