NOHO NY FAHASAHIRANANA

« Tsy ampy kalsioma ny 80%-n’ny Malagasy»


  • Zoma 24 Mey 2024

Misakafo tapa-kibo ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao.

Ny hariva ihany no mihinam-bary fa ny ankoatra izay dia kibo rivotra na mofo sy kafe kely….Noho ny fahasahiranana amin’ny ankapobeny no antony mahatonga izany. Tsy tody faran’ny volana intsony ny karama raisina isam-bolana vokatry ny fidangan’ny vidim-piainana hany ka izay kely misy no tsy maintsy tsinjaraina. Manaporofo izany ny vidim-bary izay efa mahatratra 1.000 Ar ny iray kapoaka…. Tsy ampy kalsioma sy manezioma ny 80%-n’ny Malagasy noho izany. Raha tokony ho 1.200 ka hatramin’ny 1.500 kaloria isan’andro mantsy no takian’ny vatan’olombelona iray amin’ny alalan’ny sakafo hohanina dia zara raha mahatratra 80 kaloria monja izany ho ny an’ny sasany, raha araka fanazavan’Atoa Mandimbison Rija, mpitsabo eo anivon’ny Centre Ainasoa . Miteraka zavatra maro anefa io tsy fahampian’ny kalsioma sy manezioma io, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Lohalaharana amin’ireny ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny gripa sy ny kohoka, ny tazo mahery….Fantatra moa fa mizara maimaim-poana Calvit amin’izao ny Centre Ainasoa na ilay kalsioma sy vitamina avy amin’ny akora natoraly vokariny. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Reny homarihina ny Alahady 26 May ho avy izao izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana. Tanjona ny hanampiana ireo olona mitsabo tena ao amin’ny Centre Ainasoa amin’ny resaka fahasalamana hiatrehana ny vanim-potoanan’ny ririnina.
Pati
Legende : Atoa Mandimbison Rija, mpitsabo eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT