Fahasalamana

Nitondra fanamarihana ny OMS Afrika Mbola ho dinihana tsara aloha ny momba ny CVO+ Curatif


  • Talata 06 Jolay 2021

Namoaka fanamarihana omaly ny Biraom-paritry ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) misahana an’i Afrika fa tsy mbola nisy hatreto aloha ny fanafody

 voaporofo fa azo antoka sy nahasitrana ny Covid 19.Mbola ho dinihan’ny manampahaizana ato ho ato ny andrana klinika dingana faha 3 momba ny CVO+ curatif novokarin’i Madagasikara sy ny mety ho dingana manaraka, hoy ny fanamarihana.Aorian’izay no hamoaka ny heviny ara-tsiantifika io komity io ; fehin-kevitra izay tsy misy ifandraisany tamin’ny vokatra efa azo.Izay no resaka natao tamin’ny governemanta Malagasy tamin’ny fiomanana hiditra tamin’ny andrana klinika hoy ity fanambaran’ny Biraom-paritry ny OMS misahana an’i Afrika ity.Fanambarana tonga andro vitsy taorian’ny filazan’ny orinasa Pharmalagasy hoe voaporofo fa mandaitra hatrany amin’ny 87,1% ary mahasitrana ny Covid 19 ny fanafody CVO + curatif, sy ny hoe efa nifampiresahana tamin’ny OMS izany.Nisy mihitsy moa ny eritreritra ny amin’ny hoe aondrana any ivelany ity fanafody ambara fa mahasitrana ny Covid 19 ity.
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT