Fahasalamana

Nitokona indray ny mpiasan’ny CTC Tsy mivoaka ny karama raha tsy takiana hatrany


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Nitokona teo an-tokontanin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka etsy Ambohidahy indray omaly ireo mpiasan’ny CTC Hopital Hotel miasa eto Antananarivo ary nanao fanambarana

 fa mitaky ny karaman’izy ireo 2 volana dia ny tamin’ny oktobra sy septambra izy ireo. Eo koa ny tambin-karaman’ireo naman’izy ireo mbola tsy azo. Tsy inona izany fa ny “prime” ho an’ireo tao amin’ny Live Hotel, CTC HJRA, CTC Befelatanana, CHU Anosiala. Ao amin’ny laharana faha 5 amin’ny fifanarahana nosoniavinay dia milaza fa mandray karama isam-bolana izahay. Efa nanao fampatsiahivana tany amin’ny tompon’andraikitra izahay ka mangataka ny hanajana ny fifanarahana dia ny andoavana ara-potoana isam-bolana ny karama. Sahirana dia sahirana izahay tompoko! Mamelom-bady aman-janaka ny sasany. Manofa trano sy miantoka sakafo nefa tsy misy intsony ny vola eo am-pelatanana. Manao antsoavo ireo tompon’andraikitra mba hamaly ny fitakianay, hoy hatrany izy ireo. Ny volana aprily 2021 hatramin’ny aprily 2022 moa raha ny fanamarihan’izy ireo no faharetan’izay fifanarahana izay. Takiana hatrany ny karama vao mivoaka, hoy izy ireo. Miisa 700 mahery izahay voakasik’izao raharaha izao ka ao anatiny ny Paramed sy mpandraharaha na “admin” sy mpiasa mpanampy na “personnel d’appui”. Hitohy hatrany ny fitakianay mandra-pahazo valiny mahafa-po, hoy hatrany ireto mpiasan’ny fahasalamana ireto.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT