Nendran-dRajako terena ho nendran-dRagidro

« Famotehana ny fizahantany sy ny lazan’i Madagasikara »


  • Alarobia 11 Septambra 2024

Mandon-databatra hatrany ny Pr Jonah Ratsimbazafy eo anatrehan’ny serasera diso atao momba ny

nendran-dRajako » na « variole du singe » na koa « MPOX » izay avadiky ny Fanjakana Malagasy hoe : «Nendran-dRagidro ». Nendran-drajako no tena, ka mahagaga ny filazan’ny Minisiteran’ny fahasalamana fa nendran-dragidro ka tokony hahitsy ny serasera diso satria misy akony sy miteraka laza ratsy ho an’ny gidro izay fananam-pirenena manokana, raha ny fanamafisany. « Fanapotehana ny fizahantany sy ny lazan’i Madagasikara no handraisako izany », hoy ny Pr Jonah Ratsimbazafy Mpampianatra mpikaroka fanta-daza amin’ny fiarovana ny varika na gidro izay harena mampiavaka an’i Madagasikara. Oviana, hoy izy, no nisy gidro tratran’izany ? Ny mpizahatany avy any ivelany efa mahalana, kanefa ny eto ihany koa efa tsy dia mitsidika an’ireo valanjavaboahary. Mila hamafisina ny fidirana sy ny fepetra ara-pahasalamana amin’ny fidirana eny amin’ny seranam-piaramanidina, tokony hisy fanokanana na « mise en quarantaine » ireo ahiahiana ho misy na efa ahitana soritr’aretina toy ny fibotsibotsinana eny amin’ny vatana. Tsara ny manamarika fa tsy mbola misy eto Madagasikara ity aretina ity, ka ny fiarovana no mila hamafisina.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT