NENDRAN-DRAJAKO

-JEAN CLAUDE RATSIMIVONY


  • Alatsinainy 02 Febroary 2026

Manampy ny olombelona hiady amin'izany ny zava-maniry

Manampy betsaka ny olombelona hiady amin'ireo karazana areti-mandoza toy ny Corona viriosy sy ny nendran-drajako ny zava-maniry hoy ny Dr Jean Claude Ratsimivony, tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny Vondrona JCR. Amin'ny alalan'izy ireny izay havadika ho baoma fanosotra, na fanafody...mantsy no hahafahana mampiakatra ny hery fiarovana ao anatin'ny vatan'olombelona hoy hatrany ny fanazavany. Lasa sakafo maty sy tsy ara-dalana avokoa amin'izao ny ankamaroan'ny ny sakafo hohanin'ny isan-tokantrano. Noraisiny ohatra ireo sakafo efa voahodina tehirizina anaty boaty, ireo apetraka ela anaty vata fampahatsiahana izay tena mampihena andro aman'alina ny hery fiarovana. Misy antony ny nanaovan'Andriamanitra ny voankazo sy ny legioma hoy Dokotera izay tokony hohanina matetika arahin'ny fisotroana rano fisotro madio 1 litatra sy tapany isan'olona isan'andro ho fikojana ny fahasalamana. Nomarihiny moa fa ny mandrava sarotra, ny ravintsara....ravinkazo hita eny ambanivohitra eny dia efa azo hampiasaina havadika ho fanafody fitsaboan-tena avokoa ka tokony hotandrovana. Ho an'ny vondrona JCR izay tantanany manokana moa dia misy hatrany ny vokatra vaovao vokariny ho enti-miady amin'ireo karazana viriosy sy bakteria miparitaka maneran-tany. Mahazo tombony amin'izany ny ankizy madinika ka hatrany amin'ny olon-dehibe. Fanafody tsy sarotra entina fa azo hatao any anaty paosy tsara. Pati
Légende : Dr Jean Claude Ratsimivony, manam-pahaizana manokana momba ny fikirakirana zava-maniry !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT