Fahasalamana

Nendran-drajako Hametrahana fitiliana ny seranam-piaramanidina


  • Alakamisy 11 Aogositra 2022

Isan’ny aretina mampitahotra maneran-tany indray ankehitriny ilay aretina antsoina hoe: “variole du singe” na “nendran-drajako no azo handikana azy amin’ny teny Malagasy.

Efa nahitana tranga mampiahiahy tsy lavitra antsika, dia tatsy amin’ny Nosy Maorisy. Noho izany, manomana ny fametrahana ny fitiliana io tsimokaretina io eny anivon’ny seranam-piara-manidina sy eny anivon’ny hopitaly ary ny tobi-pahasalamana fototra rehetra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’izao mba hisorohana ny fiparitahan’ity tsimokaretina ity raha sendra misy tranga hita, hoy ny tale jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana , profesora Fidiniaina Andriatsarafara omaly10 Aogositra. Nohamafisiny fa hatreto dia mbola tsisy tranga voatily eto Madagasikara raha firenena 98 no efa nahitana azy ary tranga maherin’ny 28 000 no hita hatramin’ny volohany volana jolay eran-tany. Marihina fa ny 29 jolay lasa teo no nambaran’ny fikambanam-be iraisam-pirenena momba ny fahasalamana, ho lasa hamehana ara-pahasalamana maneran-tany ny nendran-drajako.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT