Fahasalamana

Nampitandrina i Dr Fidiniaina Randriatsarafara “Anaty vanim-potoana mampatanjaka ny pesta isika”


  • Alatsinainy 06 Septambra 2021

Voamarina fa tena pesta aretin-tratra mihitsy no mitranga any amin’ny Kaominina Miandrandra Distrikan’Arivonimamo, hoy ny Dr Dr Fidiniaina Randriatsarafara

Talen’ny fisorohana ara-pahasalamana eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Noho izany, tonga nijery ifotony nanamarina ny tranga ny mpitsabo avy amin’ny minisitera sy ny teny ifotony, ny mpiara-miombon’antoka, ny manam-pahefana isan-tsokajiny, ny prefektiora, ny distrika, ny mpitandro fikaminana,… Noraisina an-tànana araka ny tokony ho izy ireo namoy ny ainy, izay 7 ka ny 3 teny amin’ny tobim-pahasalamana, ary 4 eny amin’ny fiarahamonina. 22 ny marary, izay efa voaray an-tànana, ary andalam-pahasitranana. Nambarany fa azo sitranina ny pesta ary maimaimpoana ny fitsaboana; Matoa mitranga ny pesta aretin-tratra dia misy fahatarana ny fandraisana andraikitra amin’ny olona izay mety tratry ny kaikitry ny parasy fa mety ho noho ny fomba amam-panao mety nakany amin’ireny famadihana ireny kanefa ny olona izay navadika dia mety nitondra ny otrik’aretin’ny pesta. Eo am-pandinihana sy ny am-pijerena ny mety ho tena antony nahatonga izany ny minisiteran’ny fahasalamana. Efa natao ny fiarahana amin’ny tompon’andraikitra amin’ny fametrahana ny sakana ara-pahasalamana hifehezahana ny tsy fipariahana. Efa voafehy amin’izao, saingy tsara foana ny misoroka ka napetraka niaraka tamin’ireo faritra manodidina an’Itasy dia Analamanga, Vakinankaratra, Bongolava,… Efa misalahy amin’izany fametrahana sakana izany mba hitiliana ireo olona izay mety mitondra hafanana. Izay no atao amin’izao, ary efa nomena fanafody ireo olona nifampikasoka, nofendrehana fanafody ireo toerana mety hisy ny pesta namonoana ny otrik’aretina sy ny parasy. Mifindra amin’ny alalan’ny tsiranoka, rehoka, hatsembohana, kaikitry ny parasy, fikirakirana razana mety avy voan’ny pesta,… Nambaran’I Dr Dr Fidiniaina Randriatsarafara fa miditra amin’ny vanim-potoana tena mampirongatra ny pesta izay eo anelanelan’ny aogositra hatramin’ny aprily isika izao, ary mitovy amin’ny fiarovana amin’ny covid-19 ihany ny fiarovana. Mila manasa tànana, manao arovava,… hoy io mpitsabo io, izay nanentana ny rehetra hanaraka ny fepetra ara-pahasalamana. Tsara raha mamonjy tobim-pahasalamana avy hatrany raha mafana hoditra, mikohaka be, marary ny tratra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT