Fahasalamana

Mponin’i Soavimasoandro Misitraka tolotra ara-pahasalamanana maimaimpoana


  • Alarobia 28 Oktobra 2020

Nisy ny hetsika ara-tsosialy sy tolotra ara-pahasalamanana maimaimpoana nokarakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra omaly 27 oktobra 2020 teny amin’ny fokontany Soavimasoandro. Nisy ny fijerena sy fitiliana diabeta sy fiakarana tosi-drà, ny fitiliana VIH/SIDA,

 ny fizahana fahasalamana amin’ny ankapobeny, ary isan’ny nampiavaka ity hetsika ity ny fandraisan’anjaran’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena manentana ny ankizy tsy ampy taona sy ireo vehivavy iharan’ny herisetra mba hanatona azy. Nisy koq koa ny fampirantiana ireo fanafody vita amin’ny akora natoraly ary ny fisiana trano heva mampahafantatra ireo mponina momba ny torolalana ara-tsosialy. Roa andro ny faharetan’ity hetsika ity eny Soavimasoandro. Hiothy eny amin’ny Boriborintany faha-6 Ambohimanarina indray ny hetsika, ny 29 sy 30 oktobra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT