Fahasalamana

Mponin’i Betafo Antsirabe “Havereno tsy misy hatakandro ny rano fisotro madio any aminay”


  • Sabotsy 25 Novambra 2017

Tsy mbola misy mandeha amin’ny laoniny ny fitantanana sy fandaminana ny fampandehanana ny rano fisotro madio ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Betafo Antsirabe tato anatin’ny volana maromaro izay.

 Misy aza ny « borne fontaine » ho an’ny sarambabem-bahoaka, izay nampanantenaina fa handeha tsara avokoa hatramin’ny 15 novambra 2017 teo  nefa hatramin’izao mbola misy tsy mandeha mihitsy. Nanapa-kevitra ny mponina any amin’ity kaominin’i Betafo ity miaraka amin’ny fikambanana Fibemih (Fikambanan’i Betafo Miray) sy ny Carduc Madagasikara mpiaro ny zon’ny mpanjifa hanangana fikambanan’ny mpanjifa rano fisotro madio ao Betafo, izay hiantsoana ireo mpanjifa isaky ny Ilot na quartier rehetra isam-pokontany, ka hisy ny biraon’izany ho solontenan’ny mpanjifa ifotony hiaraka amin’ ireo herivelona ao an-tanàna handrafitra Komity iray hiaraka hivory sy hifandinika ary hifanakalo hevitra mivantana sy malalaka tsy hisy fanampenam-bava intsony amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny hijery ny vahaolana iaraha-manapaka ho amin’ny fanatsarana sy ny fanamorana ny fahazoan’ny vahoaka rehetra ny rano fisotro madio ao Betafo. Tapaka fa ao anatin’ny fivoriana izay hatao ny alarobia 29 novambra 2017 tolakandro ao amin’ny Tranompokonolona Betafo no hanaovana izany sy handinihana ihany koa ny hoavin’ny orinasa mitantana ny ranon’i Betafo nampidirin’ny ben’ny tanàna tamin’ny fomba tsy nazava nefa tsy manana traikefa velively amin’ny asa fampidiran-drano ary farany hitakiana ny fandraisan’ny ao amin’ny minisiteran’ny rano fanampahan-kevitra hentira sy haingana mifandraika amin’izany fomba fiasa izany sy hitakiana ihany koa ny hamerenana tsy misy hatakandro intsony ireo paompin-drano rehetra notapahina nefa nandeha tsara tao Betafo hatramin’izay.

                                                                                    

Ntsoavina Evariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT