MPONINA AO TOAMASINA II

Mandeha dia an-tongotra lavitra vao mahita tobim-pitsaboana


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Mandeha dia an-tongotra lavibe ireo mponina any amin’ny distrikan’i Toamasina II

vao mahita tobim-pitsaboana amin’izao. Voakasik’izany avokoa na ireo olon-tsotra marary na ny vehivavy handeha hiteraka, antony nanosika ny fanjakana Japonais hanolotra fiara fitondrana ho an’ny marary ho azy ireo. Tamin’ny alalan’ny diosezin’i Toamasina no nanolorana izany fitaovana izany afak’omaly Sabotsy 08 Febroary. Faly vokatr’izany ny mponina ka nisaotra ireo mpiara-miombon’antoka roa izay angady nananana sy vy nahitana izany. Raha araka ny fantatra moa dia mbola ny firenena Japonais ihany koa no nanolotra fiara fitondrana marary miisa 3 ho an’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina ho fanampiana ny mponina.
Pati
Legende : Nahazo fiara fitondrana marary ireo mponina any amin’ny distrikan’i Toamasina II !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT