Fahasalamana

Mpitsara Basket CCCOI teny Ivato Nafenina fa nararin’ny Pesta


  • Talata 03 Oktobra 2017

Manizingizina ny fitondram-panjakana fa voafehy ny pesta satria efa fantatra avokoa ny faritra misy azy,

 araka ny fanambaran’ny praiminisitra teny Ambatoroka omaly. Nihazakazaka nankany Toamasina ihany koa ary nanamafy izany ny minisitry ny fahasalamana ny Pr Lalatiana Randriamanarivo. Aoka izay ny tsaho, hoy ireo manampahefana rehetra miteny, maro koa anefa ny olona milaza fa mitombo isa isan’andro ireo marary sy maty mihitsy vokatr’ity valan’aretina ity. Omaly izao dia nisy ny tranga hafa kely teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Rehefa nozahana ny teratany vahiny iray dia hita ho hafahafa ary nahiana ho voan’ny pesta. Tsy navela nandray fiaramanidina avy hatrany io vahiny io ary nentina tamin’ny fiara mpitondra marary saingy tsy fantatra ny hopitaly sy ny toeram-pitsaboana nitondrana azy. Araka ny resaka nifamoivoy omaly hariva dia mpitsara nandritra ny lalao Basketin’ny CCCOI farany teo izy ary teratany Afrikanina tatsimo. Re fa nahazo toromarika hentitra ireo mpiasa teny Ivato mba tsy hiresadresaka momba io zava-nitranga io saingy nivoaka ihany moa ny vaovao. Marina fa tena miezaka ny fitondram-panjakana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, saingy tsy mampisinda ny ahiahin’ny vahoaka aloha izany hatreto, indrindra rehefa mahafantatra fa misy ny vahiny manomboka mangoron’entana ka mandao an’i Madagasikara. Omaly koa izao dia tsy niasa ny mpiasan’ny masoivoho Frantsay noho io resaka pesta io, ary ny alahady 1 oktobra dia efa nampandre ireo frantsay mikasa ny ho avy aty Madagasikara ny amin’ny fisian’ny valan’aretina pesta ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Frantsay ary nampitandrina azy ireo. Ankoatra izay, raha ny filazana tompon’andraikitra ao amina fikambanana iraisam-pirenena iray, dia efa manana taha mampatahotra ny fihanaky ny pesta eto Madagasikara. Mangina tsy andrenesam-peo tanteraka moa ny filoha Hery Rajaonarimampianina manoloana izao tranga izao fa ny praiminisitra sy ireo minisitra vitsivitsy no manezaka mafy mampiseho fa hoe voafehy, hono ny pesta.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT