Fahasalamana

Mpitsabo sy mpiasan`ny fahasalamana Mivangongo loatra an-tanan-dehibe


  • Alakamisy 08 Oktobra 2020

Ao anatin’ireo laharam-pahamehana dimy eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fananganana foto-drafitr’asa sy ny fampitaovana azy, mba hisian’ny tolotra ara-pahasalamana misy fiatraikany mivantana eny amin’ny sosialim-bahoaka.

 

 

 Ho an` ny faritra Diana, nanomboka ny 01 oktobra lasa teo dia niroso tamin`ny asa famaritana ny toerana hananganana ny foibem-pahasalamana fototra (CSB) manara-penitra ao Antsoha Antsiranana ka ny avy eo anivon’ny SMGSSE sy ny « services contentieux » ao amin’ny DRSP DIANA no niandraikitra sy nisahana izany. Manantona vahoaka ny tobim-pahasalamana. Afaka hikarakara ny fahasalamany ny mponina any amin` ireo kaominina sy fokontany lavitra andriana. Manao ahoana kosa anefa ireo CSB efa am-perinasa? Ankoatra ny tsy fahampian` ny fitaovana dia olana goavana koa ny tsy fahampian`ny olona. Ny ankamaroan` ireo CSB mihataka tanan-dehibe dia Paramed iray ihany no miasa ao no sady mitsabo no manao fampandehanan-draharaha. Na mpampivelona (sage-femme) io, na mpitsabo (infirmière). Tranga nisy tany Ambahitra sy Tongobory, disitrikan`i Betioky, dia “sage-femme” bevohoka no mitazona ny CSB tany an-toerana. Vokany tamin` izy niteraka dia tsy nisy nitsabo ny olona, ny vehivavy tsisy mampiteraka, ny ankizy tratran'ny tsy fanjarian-tsakafo dia tsisy mpanara-maso. Mila hanaovan' ny Fanjakana ezaka be io fivangongoan'ny dokotera sy ny mpiasan` ny fahasalamana an-tanan-dehibe io. Efa nisy fotoana, tamin` ny andron-dRajaonarimampianina, nomena “kit de fidélité” ny dokotera sy paramed manaiky hiasa any ambanivohitra saingy toa tsy nandaitra ilay izy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT