Mpitsabo sinoa manao asa soa

Manao fandidiana maimaimpoana eny amin’ny "CEHNOSOA


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Mitohy hatrany ny fampivoarana sy fanatsarana ireo tolotra ara-pahasalamana eo anivon'ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana na ny CEHNOSOA.

Tonga eny an-toerana nanomboka afak’omaly Talata 09 Aprily ireo mpiara-miombon’antoka "His Foundation Limited", izay mpitsabo vahiny tera-tany Sinoa avy any Hong Kong, hiara-kiasa amin'ity hopitalim-panjakana iray ity. Fikambanana kristianina manao asa soa eo amin'ny sehatry ny fitsaboana izy ireo, izay nisafidy hanao izany maimaim-poana ao amin'ny CENHOSOA. Fandidiana mikasika ny "Chirurgie maxillo-faciale" na fanamboarana ireny sima, na olona misy lavaka amin’ny ativava sy orona ireny no tanterahiny ka miisa 22 izy ireo no hanao ny asa. Eo koa ny "Chirurgie orthopédique" na fanamboarana ireo tongotra misy fahasamponana na tsy tomombana hatrany am-bohoka nefa azo Hahitsy, ary koa ireo takaitra vokatry ny “Brûlure” na fahamaizana. Miisa 15 indray ireo dokotera Sinoa hanao ity asa farany.Mandritra ny roa herinandro ireto mpitsabo vahiny ireto no hanatanteraka izany iraka manokana izany ao amin’ny hopitaly Soavinandriana. Tsiahivina moa fa efa nanomboka tamin’ny taona 204 ny "His Foundation Limited" no niara-niasa tamin'ny Hôpitaly miaramila, ary isan-taona izy ireo no manatanteraka asa eto Madagasikara sady mifampizara traikefa amin'ny mpitsabo malagasy.
Pati
Legende : Efa mandeha ny fandidiana tanterahin’ireo mpitsabo Sinoa etsy amin’ny CENHOSOA Soavinandriana amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT