Fahasalamana

Mpitsabo nentim-paharazana Voarara ny manao dokam-barotra na mivantana na an-kolaka


  • Alarobia 01 Septambra 2021

Nankalazaina omaly talata 31 Aogositra ny andro Afrikana ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana. Anisan’ny nitondra tombontsoa be ho antsika teto Madagasikara ny fisian’izy io raha araka

 ny fanazavan’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka omaly ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo. Nasiany resaka manokana ny CVO hahafahana miady amin’ny valan’aretina Covid 19 izay vokarin’ny IMRA ary mbola hampiasaintsika mandraka ankehitriny. Notsiahiviny moa fa ny 97%-n’ny fanafody hampiasaina entina hitsaboan-tena eto amintsika dia avy amin’ny alalan’ny zava-maniry avokoa. Miantso ireo mpitsabo nentim-paharazana rehetra mba hanara-dalana araka izany ny tenany. Tsy azon’ny Ministera ekena ny fisian’izy ireny hoy izy raha tsy misy alalana mazava. Notsiahiviny ihany koa fa tsy azon’izy ireny hatao ny manao dokam-barotra na mivantana izany na ankolaka satria tsy mifanaraka amin’ny soa toavina Malagasy izany. Ho an’ny mpanao gazety dia nametrahany fepetra manokana fa tsy tokony hanao dokam-barotra ho an’ny mpitsabo nentim-paharazana raha tsy nahazo alalana avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ireto farany.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT