ny mpitsabo ho kendaina»
Nivory tetsy amin’ny foibeny etsy Ivandry omaly ny biraon’ny Fikambanamben’ny mpitsabo nentim-paharazana na ANTM eto Madagasikara. Tafavory tao an-toerana, araka izany, ny filohan’ireo fikambanana miisa 17 mivondrona anatin’ny ANTM na ny solontenan’izy ireo. Nahery vaika be nanomboka ny taona 2020 ny fanaotaovam-poana, ny fanambaràna mandainga, ny dokam-barotra isan-karazany, fandikàn-dalàna mikasika ity fitsaboana nentim-paharazana ity, hoy ny filohan’ny ANTM, Josephin Andriandrainarivo. Nanao antso, hoy izy, izahay tamin’ny fanjakàna, ireo olafitra mikasika ny fahasalamàna misy eto Madagasikara, indrindra, fa ny Dokotera tamin’izany fotoana izany hoe andao hiara-hijery ny azo hampiharana ireo lalàna efa misy mikasika ny tontolon’ny fitsaboana nentim-paharazana, izay lalàna mikasika ny fitsaboana maoderina ihany koa. Niady irery izahay fa na ny minisitry ny fahasalamàna aza tsy nandray fepetra. Nihainohaino teny ny olafitry ny mpitsabo. Ankehitriny izy avy dia manao taratasy hoe atsaharo, manoloana ireo zava-misy tsy mety ireo, ny fahazoan-dalana ho an’ny mpitsabo nentim-paharazana. Ny olona miditra ato ka mangataka hanao ny asa maha mpitsabo nentim-paharazana nefa dia vonon-kanara-dalàna daholo fa ilay manaotao foana, tsy te ahalala izany atao hoe ANTM izany, no tadiavin’ny olafitry ny mpitsabo entina hanakendàna ny tena mpitsabo nentim-paharazana. Miantso ny tomponandraiki-panjakàna isan-tsokajy handray fepetra ary manao antsoavo ny hamoriana ireo mpitsabo nentim-paharazana sy mpitsabo rehetra ary mpisehatra ara-pahasalamàna isan-tsokajiny eto Madagasikara mba hifandinika ambony latabatra. Efa tamin’ny taona 2011 no natao izany antsoavo izany mba hanadiovana ilay tontolo. Tsy nisy nihaino. Efa nanome sosokevitra mihitsy ny mba hananganana borigady manokana. Tany amin’ny 2007 tany no efa nisian’ny filàn-kevitra momba ny mpitsabo nentim-paharazana teto Madagasikara. 166 no isan’ireo mpitsabo nentim-paharazana voarakitra an-tsoratra. Izao nefa nivoaka ny lisitry vaovao dia hoe 111. Tsy voatatitra aty ny antony nanalàna ireo 55 ambiny, hoy hatrany ny fikambanamben’ireto mpitsabo nentim-paharazana ireto mitaraina ho tian’ny olafitry ny mpitsabo ho kendaina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.