Fahasalamana

Mpitsabo nentim-paharazana “Lasibatry ny antsojay politika”


  • Alakamisy 30 Martsa 2023

Lasibatry ny antsojay ankehitriny ny mpitsabo nentim-paharazana fa tsy FITRAMA irery, hoy ny filoha tale jeneralin’ny mpitsabo malagasy FITRAMA teo aloha, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

Maro ny manambany sy manaratsy azy ireny, hoy izy, ary izy ireny dia terena tsy hanao dokam-barotra. Tafiditry ny antsojay politika koa ankehitriny ny mpitsabo nentim-paharazana. Maro no milaza ho hanakatona sy ny toy izany nefa izahay dia milaza fa tokony jerena akaiky ny momba ireo mpitsabo nentim-paharazana ireo. Be dia be ny olona nahita tombontsoa tamin’ny fitsaboana nentim-paharazana. Manoloana ny fifidianana akaiky dia ao ny fanakorontanana isan-karazany mila toherina. Miantso ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, izahay mba hijery akaiky ireo mpitsabo nentim-paharazana satria politikam-panjakana ireo resaka fitsaboana nentim-paharazana io. Be dia be ny fandrahonana etsy sy eroa. Tsy nisy nataonay afa-tsy nanasoa ny mpiara-belona sy nanandratra ny maha malagasy. Matoa aho nametra-pialana tsy ho tale jeneralin’ny FITRAMA dia mba hahafahanay miady kokoa ho an’izay maha malagasy izay. Mila fitoniana isika, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT