Mpitsabo nentim-paharazana

«130 no voaisa ho nahazo alalana»


  • Alakamisy 28 Aogositra 2025

Nisy, tetsy Anosy, omaly, ny fivoriamben’ny fikambanan’ireo mpitsabo

nentim-paharazana malagasy na «Association des tradipraticiens malagasy», izay afohezina amin’ny hoe ASTRAMA. Fanaonay isan-taona izy ity, hoy ny filohan’ny fikambanana, Josephin Andriandrainarivo, ary mialohan’ny fivoriamben’ny fikambanamben’ireo mpitsabo nentim-paharazana na ANTM sy ny andro afrikanina ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana aty Afrika. Mila mifankahafantatra, hoy izy, ny samy mpitsabo nentim-paharazana. Mila mifampizara fahazarana tsara sy mahomby eo amin’ilay fanatontosana ny adidy aman’andraikitra maha mpitsabo. Mifampizara vaovao ihany koa ary antsoina foana rehefa ohatran’izao ny avy ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny zava-maniry fanao fanafody sy ny fitsaboana nentim-paharazana na ny SPMT ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamàm-bahoaka. Manodidina ny 8000 isa ny mpikambana anaty ASTRAMA manerana ny nosy fa ampahany no tafakatra hiatrika izao fivoriambe eto Antananarivo izao. Misy mason-tsivana io. Mbola betsaka ireo mpitsabo nentim-paharazana tsy manara-dalàna sy tsy manaraka ny fenitra maha mpitsabo azy toy ny manao dokam-barotra, miantsoantso; mba tsy hilazàna hoe mihaza marary, loha-menaka no entiny amin’ny andro midanika be hoe hitsaboana nefa mety hivadika eny an-dalana izany loha-menaka izany sy ny maro hafa tsy voatanisa. Mifampahatsiahy eto izahay hoe izao no lalàna, ireto no tsy ara-dalàna, izao no soatoavina sy kolontsaintsika ka mila hajaina. Dingana manaraka ny fanokafana kabinetra ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamàna, araka ny didim-panjakàna laharana 2016-0122 tamin’ny 13 febroary 2016. Ny olona tafiditra anaty ANTM rehetra, raha ny tokony ho izy, dia tsy maintsy mangataka alalana hanao asa fitsaboana nentim-paharazana eto Madagasikara. Mangataka alalana hanokatra toera-pitsaboana nentim-paharazana. 2002 no nitsangana ara-dalàna ny ANTM ary ny ASTRAMA ny taona 1997. Taty amin’ny taona 2016 nefa vao nihatra ilay fangatahana hanao ilay asa fitsaboana sy fanokafana toeram-pitsaboana. Ireo mpikambana tany aloha rehetra izany mbola mila fifanentanana sy fifanazavàna indray mikasika izany. Gaga be ry zareo naheno ny minisitera niteny hoe 130 ianareo no voaisa ho nahazo alalana, hoy hatrany ny ASTRAMA.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT