Fahasalamana

Mpitsabo malagasy FITRAMA “Toherin’ny manam-pahaizana foana ny manam-pahalalana”


  • Alarobia 07 Septambra 2022

80%n’ny malagasy izao, raha ny tarehimariky ny OMS, ny malagasy misitraka fitsaboana nentim-paharazana, hoy ny fikambanana mpitsabo malagasy FITRAMA.

Ny filoham-pirenena koa nilaza, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Nirina Rafanomezantsoa, dia nilaza fa izany no nitsaboana ny Coronavirus teto Madagasikara. Ekena fa nisy ny maty sy narary fa nivoaka mpandresy isika tao anatin’ilay ady. Niezaka nanatsara ilay tontolo ny FITRAMA ary nitondra rivo-baovao goavana teo amin’ny tontolon’ny fitsaboana. Tsy mampiasa masinina fampiasan’ny dokotera na mandidy olona na mampiasa tambavy fa efa mivoatra amin’ny fampiasana lohamenaka sy akora azo avy amin’ny zava-maniry. Tsy olona vao marary anio no manatona mpitsabo nentim-paharazana fa efa lany aiky tamin’ny fitsaboana. Azo hitsaboana daholo ny zavaboary rehetra hatramin’ny voatabia sy perisily ary ny zava-dehibe dia izay fomba fitsaboana izay apetrantsika amin’ny taranaka. Miantso ny rehetra hiaro ny tontolo iainana ary ny fitondram-panjakana koa antsoina hampita izany rehetra izany ka hametraka izany ho tanjona mandrakizay. Ny aretin’ny voa izao eto Madagasikara matetika rehefa miakatra ny tahany dia na atao “dyalise” mandra-pahafaty na alefa any Inde na firenen-kafa amina tetibola 60 tapitrisa na 100 tapitrisa Ariary. Izahay anefa sady mitsabo voa no mahita tombony maro ao anaty fitsaboana nentim-paharazana. Ny olan’ny fitsaboana eto Madagasikara dia ampidirantsika zavatra simika be dia be ny vatantsika. Toherin’ny manam-pahaizana foana ny manam-pahalalana ary miheritreritra foana ny manam-pahaizana fa izy no mahita ny tekinika rehetra fa ny manam-pahalalana nefa tokony hapetraka amin’ny toerany koa ary tokony hijery satria mijery ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra isika dia hainy tsara ny mikolo ny tontolo iainana sy maka ny tombony amin’izany, hoy hatrany ny FITRAMA.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT