Fahasalamana

Mpitsabo Malagasy FITRAMA Miara-miasa amin’ny Akademia Malagasy


  • Zoma 18 Desambra 2020

Saika mitodika amin’ny fampiasana ireo vokatra bio, izany hoe : tsy nampiasana

 

 

 

akora simika avokoa ankehitriny ny firenena maneran-tany. Tsy tokony ho latsa-danja amin’izany isika raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina, tale jeneralin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy omaly no sady filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy. Ho azy ireo izao dia efa miara-miasa akaiky amin’ny Akademia Mlaagasy izy ireo hanatevenana ny asa fikarohana. Ho an’ireo karazana zava-maniry miantomboka amin’ny anarana A ohatra dia notsindriany omaly fa efa mahatratra 344 ny isany ary tokony ho fantatry ny Malagasy rehetra ny hasarobidin’izany harena nomen’Andriamanitra. Izany no mahamaika ireo mpanjanaka eto amintsika hoy izy ary iniana hafenina ny Malagasy izany mba hahazoan’izy ireo tombontsoa, sy hikakana ny Malagasy amin’ny resaka lalana izay tokony hojerena haingana. Izany indrindra hoy izy no manosika anay hanatanteraka ilay fambolen-kazo goavambe hatao any Soaniedanana manomboka ny 26 Desambra ho avy izao, haharitra 5 andro mba ho lovan’ny taranaka sy ny faramandimby. Ekena hoy izy fa efa nanao ezaka ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ao anatin’ilay tetikasa mpianatra iray, hazo iray saingy mbola tsy ampy izany. Nomarihiny manokana moa fa vokatry ny ezaky ny Filoham-pirenena tamin’ny fanomezan-danja ny fitsaboana nentim-paharazana dia hiezaka hatrany izy ireo na dia tsy mahafaly ny tandrefana aza izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT