Fahasalamana

Mpitsabo Malagasy FITRAMA Hanatanteraka fihaonambe hamaritana ny ho aviny


  • Talata 24 Novambra 2020

Hanatanteraka fihaonambe fanindroany ireo mpikambana eo anivon’ny orinasa

 

 


Mpitsabo Malagasy FITRAMA amin’ny alahady ho avy izao, hamaritan’izy ireo indray ny ho aviny. Ankoatra ny fifampizarana traikefa ho enti-manatsara ny asa hatrehina dia hisy ihany koa ny fifanoroana amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy mba hidirana amin’ny sehatry ny ara-dalana hahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny Ministera. Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa ny mpitsabo nentim-paharazana dia miainga eny anivon’ny Fokontany sy ny kaominina. Toraka izany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitsabo eny ifotony. Ny olona sitrana hoy izy no vavolombelona hahafahan’ny mpitsabo iray manangana ny toeram-pitsaboana hanehoany fa tena mpitsabo nentim-paharazana izy. Manana tarehimarika mifandraika amin’izany izy ireo. 95 %-n’ireo marary tonga nanatona azy no efa sitrana, porofo mivaingana entiny hangatahana fahazoan-dalana feno eny anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hodinihina mandritra izany ihany koa ny fanatanterahana ilay fambolen-kazo goavambe hotanterahina any amin’ny PK 67, lalam-pirenena fahaefatra manomboka ny 26 ka hatramin’ny 30 Desambra ho avy izao. Ireo hazo hanaovana fanafody no tena omena vahana amin’izany toy ny ravintsara, ny mandrava sarotra, ny andramena,….. Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa efa mpikambana ao anatin’ny ASTRAMA sy ny ANTM izy ireo. Manana patanty sy mandoa hetra ara-dalana ihany koa. Ho avy tsy ho ela araka izany ny fanatonany mivantana eny anivon’ny ministera ho fanandratana ny maha-Malagasy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT