Fahasalamana

Mpikirakira ra ao amin’ny HJRA Hitokona manomboka anio


  • Alakamisy 02 Martsa 2017

Milaza ny hanao fitokonana ny eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fikirakirana ny tahirin-dra ao amin’ny hopitalim-panjakana HJRA anio.

 Naneho ny heviny sy nitondra fanazavana ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fahasalamana Dr Joséa Ratsirarson omaly, ka nilaza fa zon’ny rehetra ny manao fitakiana ary voarakitra ao anatin’ny lalàm-panorenana eto amintsika izany. Notsindriany kosa anefa fa aina ny resaka fikirakirana ra ka tsy hisy olana ny fihodinan’io sampandraharaha io fa efa nivonona amin’izany ny minisitera. Samy manana ny ambarany ny andaniny sy ny ankilany manoloana ny fahafatesan’ilay vehivavy teny amin’ny hopitaly Befelatanana, fa raha ny fahitan’ity tompon’andraikitra ity azy dia resaka fahatarana no mety nitarika fahafatesana satria efa 12 ora taorian’ny fahavakisan’ny ranon-dohany, vao tonga teny amin’ny hopitaly ny vehivavy bevohoka. Mihombom-po sy miombon’analahelo amin’ny havan’ny maty kosa anefa ity minisiteran’ny fahasalamana. Mifandraika amin’izay ihany dia, notanterahina omaly ny atrik’asa mifantoka amin’ny antom-pahafatesan’ny reny sy zaza, ka tamin’izany no nahafantarana fa 478 amin’ny 1000 izany amin’izao, izay tena ambony tokoa. Amin’ny ankapobeny dia resaka fahatarana no miteraka izany, raha ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fahasalamana omaly ihany.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT