Fahasalamana

Mpiasan’ny fahasalamana Notoloran’ny fanjakana Amerikana arotava 4.000 isa


  • Zoma 10 Jolay 2020

Nahazo arotava miisa 4.000 ireo mpiasan'ny fahasalamana lohalaharana amin’ny ady atao amin’ny COVID-19 ao Toliara sy Moramanga.

 

Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny United States Africa Command izay namatsy ny fividianana ireo arotava vita eto an-toerana, ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izay namaritra ny toerana handray izany, ary ny USAID Madagasikara izay ny tetikasa ara-pahasalamana IMPACT tanterahan’ny PSI Madagascar, miaraka amin’ny Sampandraharaham-paritry ny fahasalamana, no nikarakara ny fandefasana ny fitaovana any amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana. Nanampy tamin’ny fanomezana tao Moramanga ihany koa ny mpiara-miasa ao amin'ny tetikasa USAID RANO WASH. Ity fanomezana ity dia fanampin’ny famatsiam-bola mitentina 2,5 tapitrisa dolara natolotr’i Etazonia hanohanana ny ady ataon’ny fanjakana malagasy amin'ny COVID-19, sy ny vola 2,2 tapitrisa dolara nalaina avy amin’ny tetikasan’ny USAID izay efa voalahatra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana iadiana amin’ny valanaretina coronavirus.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT